|
|
|
|

Teny iditra1 Mba zovy kosa ho' aho?
Singan-teny  2mba, 3zovy, 4kosa, 5aho
Sokajin-teny  6 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  7 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  8Rajemisa-Raolison Régis
Lahatsiratra manontolo  9 Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-pahoriana
10 An-tanintsika eto natao toa hijaliana?
11 Ny eo tsy mbola lasa, ny sisa tamy ihany;
12 Indraika no mitsiky, impolo mitomany!

13 Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-tsorisory
14 An-tanintsika eto ka lavo loha matory?
15 Ny eo tsy mbola lasa, ny hafa tonga kosa,
16 Ka sorisory lava no zary miavosa!

17 Mba zovy kosa, ho' aho, no afaka ahiahy
18 Ka miramiran-dava milamina fanahy?
19 Ny omaly mampisento, ny ampitso mampiteby,
20 Ka hany sisa hery miseho somebiseby!

21 Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-tsentosento
22 Rah' mbola ka mandia 'ty fiainantsika eto?
23 Ny sasany tomany tsy raikitra fikasa,
24 Ny hafa mitoreo manembona ny lasa!

25 Rah' zany re no izy, angamba kosa lahy
26 Tsy eto an-tany eto no misy fifaliana,
27 Fa any an-koatra any, ka any ny Fanahy
28 No hangina samy irery tsy misy mpampangina!

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13